Nambaran’ny depiote Harinosy Rabenerika Charlot voafidy tany amin’ny distrikan’i Soavinandriana Itasy fa anisan’ireo vina hotanterahina ao anatin’ny CLD 2017 hatao any amin’ny distrika misy azy ny fananganana “caserne”
ho an’ny zandary any Tamponala sy any Mananasy sy ny fananganana “commissariat de police” ao Soavinandriana. Izy depiote filohan’ny CLD mihitsy no efa niara-namolavola ireo tetikasa rehetra hatao niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra mahefa any amin’ity distrika ity fa hafa indray taty aoriana ny eritreritr’ireo ben’ny tanàna miisa 16 sy ny lehiben’ny distrika any an-toerana izay tohanan’ny loholona iray avy any amin’iny distrika iny amin’ny hevitra hoe hividy moto ho an’ny rehetra. Izay no tsy maintsy hiafaran’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny olom-boafidy sy voatendry ao anatin’ny distrika iray.
Hafa noho izany kosa ny niseho tany amin’ity distrika ity ihany, rehefa mifanaraka ny saina, ka nisy ny fanateran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena nivantana notronin’ny depiote Lolot an’ireo tablette niisa 50 ho an’ny Ceg any Soavinandriana Itasy ny alakamisy 14 desambra teo ary mbola nampanantenainy ihany koa ny hanamboarana tsy ho ela efitrano fianarana vaovao ho an’ity Ceg ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.