Actualités

Soavinandriana Itasy sy ny vina CLD 2017 “Caserne” zandary sy « commissariat de police » no hatao


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Nambaran’ny depiote Harinosy Rabenerika Charlot voafidy tany amin’ny distrikan’i Soavinandriana Itasy teny Tsimbazaza omaly fa anisan’ireo vina hotanterahina ao anatin’ny CLD 2017 hatao any amin’ny distrika misy azy ny fananganana “caserne”

ho an’ny zandary any Tamponala sy any Mananasy sy ny fananganana “commissariat de police” ao Soavinandriana. Izy depiote filohan’ny CLD mihitsy no efa niara-namolavola ireo tetikasa rehetra hatao  niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra mahefa any amin’ity distrika ity fa hafa indray taty aoriana ny  eritreritr’ireo ben’ny tanàna miisa 16 sy ny lehiben’ny distrika any an-toerana izay tohanan’ny loholona iray avy any amin’iny distrika iny amin’ny hevitra hoe hividy moto ho an’ny rehetra. Izay no tsy maintsy hiafaran’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny olom-boafidy sy voatendry ao anatin’ny distrika iray.

Hafa noho izany kosa ny niseho tany amin’ity distrika ity ihany, rehefa mifanaraka ny  saina, ka nisy ny fanateran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena nivantana notronin’ny depiote Lolot  an’ireo tablette niisa 50 ho an’ny Ceg any Soavinandriana Itasy ny alakamisy 14 desambra teo ary mbola nampanantenainy ihany koa ny hanamboarana tsy ho ela efitrano fianarana vaovao ho an’ity Ceg ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT