Tovolahy iray antsoina hoe Tiavina Angelo, izay vao 20 taona no maty vokatry ny tsindron’antsy nahazo azy teny Soavimasoandro omaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro.
Lehilahy voalaza ho marary saina vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina fantatra amin’ny solonan’arana hoe “Sopra” na “Soprano” no nahavanon-doza. Tsy miteny tsy mivolana fa ohatran’ny romotra hafahafa izany izy, ary raha vao nivoaka tamina toeram-pivarotana zava-pisotro iray ilay tovolahy, dia notsindroniny antsy, raha ny fitantaran’ny mponina iray. Teo amin’ny kibony an-kavia nifanandrify ny fony no nidiran’ilay antsy ary nampakarin’io mpanindrona io izany, ka nahahenjana ny ratra sy nahafaty azy. Nosamborina avy hatrany io nahavanon-doza io, ary nentina avy hatrany teny amin'ny polisy misahana ny ady heloka bevava na ny BC etsy Anosy. Ny olona kosa tetsy an-daniny efa somary tezitra mafy nanoloana ity zava-doza ity, saingy voasoroka ny fitsaram-bahoaka. Arovan’ny lalàna ireny olona adala ireny amin’ny toe-javatra na hadisoana nataony, raha voamarina tokoa ny tsy maha salama saina tsara azy, ka tsy hay izay mety ho tohin’ny raharaha.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.