Actualités

Soavimasoandro: Karana iray nisy naka an-keriny indray


  • Talata 25 Aogositra 2015

Vao ny zoma teo no navotsitr’ireo naka azy an-keriny ilay teratany karana tompon’ny tranombarotra Conforama dia nandeha be indray ny resaka fa nisy teratany karana

hafa indray nisy naka an-keriny teny Soavimasoandro omaly tolakandro. Ny mponina teny an-toerana dia nanamarina ny fisian’ny fisamborana fa ny teny anivon’ny mpitandro ny filaminana kosa tsy nahazoam-baovao mihitsy. Ireo teratany karana ireo rahateo moa tsy mampita vaovao amin’ny mitandro ny filaminana izany intsony rehefa misy zava-manjo azy ireo.

 Tao anatin’ny herinandro izay dia tsy latsaky ny telo izany ireo karana nisy naka an-keriny ankoatra ny tsy mbola hita toy teny Anosibe sy ny tany Toamasina. Miteraka fikorotanan-tsaina ho an’ny mponina ity raharaha ity. Ny masoivohon’i Frantsa teo aloha François Goldblatt dia efa nanome ampaham-baovao momba ireo teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay sy anaran’ireo olona nahiahiana fa voakasik’ity raharaha kidnapping ity izay nisy manampahefana sy mpitandro ny filaminana teo anelanelan’ny 1995 sy 2013 ka izany angamba no tsy nampisy tohiny ny raharaha.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT