Actualités

Soavimasoandro I Hassanaly Rajim Farouk ilay nisy naka an-keriny


  • Alarobia 26 Aogositra 2015

I Hassanaly Rajim Farouk no anaran’ilay teratany karana nisy naka an-keriny afak’ omaly tolak’andro teny Soavimasoandro

 

. Zanak karana  mpanefoefo  izay mivarotra  kojakojana fiarakodia etsy  Behoririka ny  rain’i Rajim Farouk izay vao   20 taona monja. Araka ny  fitantaran’ny  manodidina  dia jiolahy miisa dimy  izay nirongo basy  mahery vaika nitaingina fiara pick up nissan  4x4 miloko fotsy no naka an-keriny  ity karana  kely ity tokony ho tamin’ny 3 ora tolak’andro.Teny Soavimasoandro  teo akaikin’ny toerana nisy ny toeram-piasan’ny  rahalahin-drainy  ihany  no nisehoan’ny  fakana an-keriny azy. Tao anatin’ny 15 andro  dia ity izany no fakana an-keriny teratany karana  niseho teto an-drenivohitra  ankoatry ny hafa  mbola tsy hita. Hatramin’ny omaly  dia efa  tsy nitsahatra ireo mpitandro ny filaminana eto an-drenivohitra ny manao ny  fikarohana.

 

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT