Actualités

Soarano Tora-bato no nitsena ny polisin’ny tsena


  • Alatsinainy 23 Aogositra 2010


Raikitra ny sakoroka teo Soarano amin’ny lalana mihazo an’Ambondrona iny ny sabotsy teo. Toy ny isan’andro dia tonga ny polisin’ny tsena, iraky ny Koaminina, manadio sy mandamina ny mpivarotra amoron-dalana. Tsy vitan-dresaka intsony fa mirodorodo ary mifaoka avy hatrany ny entan’ny mpivarotra ry zalahy. Tsy mihambahamba mihitsy eo am-panatanterahana ny asany. Tsy nanaiky lembenana kosa ny mpivarotra izay mahatsapa fa miharo hafetsifetsena ny asa tanterahin’ny polisin’ny tsena sasantsasany. Matetika no manjavona, any dia tsy hita, ny entan’izy ireo. Raikitra ny tora-bato raha ity teo Soarano tamin’ny sabotsy ity. Namonjy nifatratra tao anaty fiara mini bus nitondra azy ireo polisin’ny tsena. Vao mainka nitangoronan’ny mpivarotra teo. 

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT