Actualités

Soarano Raikitra ny fandravana trano


  • Zoma 18 Septambra 2015

Alahelo, fitaintainana, hasorenana omaly no nisoritra tamin’ny endrik’ireo olona nanofa ny trano lehibe iray etsy Soarano.

 

 Tsy maintsy nalana tamin’ny trano fonenany mantsy izy ireo  noho ny taratasy  avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.  Nalana tsy nisy hatak’andro izy ireo na ny alahady ho avy izao aza no fe-potoana nangatahany hialana moramora.  Fanaovana cyber sy asa fivarotana enta-madinika no nataon’ireo mpanofa tao amin’ny farany ambany indrindra. Tsy nanaiky ny kaominina fa nanome kamiao nitaterana ny entan’izy ireo ho fiarovana ny ain’ny mponina, hono, satria efa tena ratsy ilay trano. Mifanohitra amin’izay kosa anefa ny fanazavan’ireo mpanofa trano misy olona valo mianaka voakasiky ny fanalana voalohany. Raha vantany vao niova ny tompon-trano, hoy izy ireo  dia nitady izay fomba hamotehana ny trano ny tompony  hahafahany manala ireo mpanofa izay efa 44 taona nipetrahana tao. Nalana  hatramin’ny tompon-trano mihitsy omaly fa tsy nisy fanavakavahana. Nanomboka avy hatrany moa ny famefena ity trano ity omaly antoandro ihany, nambenana mpitandro ny filaminana mihitsy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT