Vosambotra tany amin’ny fokontany Antanambao-Ambodimanga, kaominina Manompana ao amin’ny distrikan’i Soanierana-Ivongo Toamasina ny tovolahy iray voalaza fa namono nahafaty ny zandriny mpiray tampo aminy.
Natolotra ny fitsarana tao Toamasina ity tovolahy ity ary niaiky ny heloka vitany nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary tao amin’ny borigadin’i Fenoarivo Atsinanana azy. Vokatry ny fiaraha-miasa matotra tamin’ny fokonolona moa no nahasamboran’ny zandary azy io. Ny fialonana noho ny fari-piainana tsy nitovy teo amin’izy mirahalahy no nitarika ny sain-dratsy tamin’ity lehilahy ity namono ny zandriny ka nanakantsanany antsy solanga azy, raha tsiahivina. Ny takarivan’ny 1 febroary 2015 no nitrangan’ity heloka ity tao amin’ny fokontany Marotrano ao amin’ny kaominina Ampasina-Maningoro.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.