Actualités

Soanierana Fokontany III I Mpibodo tany ireo olona nesorina


  • Alakamisy 12 Janoary 2017

Taorian’ny vaovao niely mikasika ny fandravana trano tetsy amin’ny fokontany Soanierana III I dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny orinasa malagasy SEIM izay tompon’ny tany.

Nambaran’izy ireo fa mpibodo tany ireo olona nanorina trano ireo nanararaotra ny fihantrana azy mba hipetraka vetivety amin’ny tany, raha tonga teto Antananarivo tamin’ny fiandohan’ny taona 90. Fianakaviana iray avy any Atsimo Atsinanana izy ireo ary roa volana no fe-potoana nangatahany mba hijanonan’izy ireo eo mandra-pahita toerana honenana. Mbola nangataka ny hanitarana izany ho enim-bolana anefa ilay fianakaviana fa mbola tsy nahita toeran-kaleha, ka noho ny maha olona dia mbola nanaiky fangatahany ny orinasa SEIM kinanjo tsy nety niala intsony izy ireo ary nanorina trano tamin’ny any. Tonga ny fotoana nilan’ny orinasa ny tany, saingy fandrahonana sy teny mandratra sofina no nasetrin’ireo mpibodo tany ny tompon’ny tany na niezaka hamaha ny olana ampilaminana aza ity farany. Voatery nitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana ny orinasa SEIM ary nahazo rariny amin’ny hamerenana ny taniny aminy tamin’ny didy nivoaka tamin’ny 1995, nohamafisin’ny tamin’ny 2003, sy tamin’ny 2013. Nanome alalana ny orinasa SEIM ihany koa ny Fitsarana handravana ny trano miorina amin’ny tany, eny fa na hampiasana hery aza izany, ary dia tonga tamin’ny fandravana nanomboka tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT