Rehefa avy nitety ireo kaominina miisa 22 mandrafitra ny distrikan’Arivonimamo ny solombavambahoaka Rakotomanjato Rodin, nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanarenana sy fametrahana fotodrafitrasa samihafa ilain’ny mponina dia niditra indray amin’ny asa fampandrosoana eo anivon’ny kaominina ambonivohitra miainga avy amin’ny filan’ny mponina
, indrindra ireo fotodrafitrasa mila fanarenana ary efa nanaovan’ny mponina fitarainana hatramin’izay tamin’ny tompon’andraiki-panjakana nefa tsy nahazoam-baliny. Lalana mirefy iray kilometatra, efa tena potika, eo anivon’ny fokontany Soanierana, ao Arivonimamo renivohitra no hasiam-panarenana ka natao rarivato iray manontolo, lalana izay fifezivezena amin’ny famoaham-bato miainga avy eo amin’ny karieran’Ambatovory. Nosantarina ny sabotsy teo ny asa, ary nanomboka omaly alatsinainy ny tena fanamboarana. Nanolotra tafo miisa 24 ho tantsoroka amin’ny fananganana ny « prescolaire” eo anivon’ny EPP Soanierana ihany koa ny solombavambahoaka, araka fangatahan’ny ray aman-drenin’ny mpampianatra sy ny fikambanan’ny mpampianatra. Nanamarika ny depiote Rodin fa tsy misy fanampiana na famatsim-bola avy amin’ny fanjakana na dia ariary aza ny asa ataony sy ny efa nataony hatramin’izay ary tafiditra ao anatin’ny hetsika Iray volan’ny TIM miaraka amin’ny solombavambahoaka izy amin’ity indray mitoraka ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.