Nahazo sehatra amin’ny fampirantiana anaty tranoheva ao amin’ity hetsika ara-toekarena iraisam-pirenena FIM andiany faha-10 ny vokatr’ireo mpifindra monina anatin’ny tetikasa “Exode urbain” any Soaniedanana ary tena
nahaliana ny mpandraharaha goavana isan-karazany tokoa ny nitsidika ny vokatra niakatra avy tamin’ireo tany vao nasaina sy nambolen’ireo mpifindra monina. Tena nezahina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, hoy ny fanazavana teny an-toerana mba hahazoana tsena any ivelany ny fomba famokarana ireo vokatra. Nohazavain’ny teknisianina miandraikitra ny tetikasa fa nezahina hanaraka ny fenitry ny kalitao takin’ny tsena iraisam-pirenena ny fomba famokarana, hanamorana ny fampidirana ny vokatra any amin’ny tsena any ivelany. Nanao antso avo ny amin’ny mba hahazoana tosika avy amin’ny fitondram-panjakana ny tomponandraikitry ny tetikasa, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritry ny fitsidihan’ny praiminisitra ny tranoheva norantian’ireo vokatra ireo, hahafahana manao tsaratsara kokoa hatrany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.