Actualités

Soamanandrariny Razana iray, filazana manjo roa


  • Alakamisy 27 Mey 2010

Somary nahavariana ihany ny zava-nitranga teny Soamanandrariny teny ny talata 19 mey. Rangahy lehibe iray maty nisy filazana manjo roa karazana. Vokatry ny tsy fifankahazoan-kevitra nisy teo amin’ilay Ramatoa tompom-bady sy ny havan’ny maty no nahatonga izany, araka ny fanadihadiana natao.

Taorian’ny nahafatesan’ilay Rangahy mantsy vao niseho avokoa ny fananany vady roa sy zanaka roa tany am-badika tany ka noteren’ireo havany nampahafantarina tamin’ny alalan’ilay filazana manjo. Tsy nanaiky izany anefa ilay Ramatoa tompom-bady ka samy nanao ny azy ny roa tonta. Vao nikimpy ny mason’ilay Rangahy  dia ireo fianakaviany no niantso an-telefaonina mivantana ilay Ramatoa tompom-bady nilaza ny fahalasanam-badiny. Tao Beforona Moramanga no niseho ny loza ny 18 mey lasa teo tokony ho mitataovovona vokatry ny fifandonan’ny fiara taxi-brousse iray tamina fiarabe iray mpitatitra solika. Ny havan’ny maty no tonga voalohany tany an-toerana ary nandray an-tanana ny fikarakarana ny taratasy rehetra toy ny taratasy fanamarinam-pahafatesana sy ny taratasy nahafahana nandefa ny razana tao Soamanandrariny. Ny ampitson’iny anefa vao tonga ny razana ary nanomboka ny disadisa. Nitazona ny heviny ny amin’ny hampidirana ny anaran’ireo vady aman-janak’ilay Rangahy tany ivelany ho ao anaty filazana manjo ny havany. Niezaka ny ho tony anefa ilay Ramatoa tompom-bady izay marihina fa tsy nifampiteraka tamin’ilay maty ka nilamindamin-dratsy ihany ny raharaha.

Tsy nijanona teo ny tantara fa mbola nitohy hatreny am-pasana. Tsy nahafaly ny havan’ny maty mantsy ny nidiran’ilay tompom-bady tao am-pasana nijery farany ny vadiny araka ny resaka nifanaovany taminay. Ireo vehivavy izay niterahany no saika hiditra voalohany tao saingy tsy navelan’ilay tompom-bady. Toraka izany ihany koa ilay toraka vato maty fanaon’ny vehivavy maty vady rehefa mandevina. Tsy nankasitrahan’ny havan’ny maty ihany koa ny nanaovan’ilay Ramatoa tompom-bady izany izay niafara tamin’ny fifanalam-baraka mihitsy. Rava tanteraka vokatr’izany ny fihavanan’ny roa tonta raha nilamina tsara talohan’ny nahafatesan’ilay Rangahy. Marihina fa maromaro ihany  ireo trano sy harena navelan’ny maty izay tsipihina fa fantatr’ireo renin-janany  roa samy hafa sy ireo zanany roa avokoa. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT