Actualités

Soamanandrariny-Ady tany Narodana tamin’ny «bulldozer» ny trano rehetra


  • Alakamisy 02 Septambra 2010

Fandresena voalohany ho an’ny Advantista ny fandrodanana ireo trano manodidina ny 70 isa izay naorina tsy ara-dalŕna tao amin’ny taniny. Tonga teny an-toerana omaly ny solon-tenam-panjakana avy ao amin’ny Fokotany, ny Kaominina, ny Distrika ary ny Faritra.

Tsy nisy resaka firy fa avy hatrany dia nampiharina ny didim-panjakana izay manome fahafahana handrodana ireo trano. Niasa arak’izany ny “bulldozer” izay tsy nanome adiny iray akory dia efa nanjavona avokoa ireo trano teo amin’ilay velaran-tany 44 ha. Nipitrapitra fotsiny sisa no azon’ireo olona tompon-trano natao. Tsy afa-nanoatra rahateo satria nanatri-maso teo ny mpitandro filaminan’ny Emmo-Reg telo kamiao sy 4X4 iray izay sady mitam-basy no mitazona ireny baomba mandatsa-dranomaso ireny. Tsy hita teny an-toerana ny lehiben’ny fikambanana Mifamelona izay tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fametrahana ireo olona ireo teo amin’io tanin’ny Advantista io. Raha ny filazan’ireo mpikambana eo anivon’ity finoana ity dia fampiharana ny didim-panjakana ihany io fa mbola hoavy koa ny didim-pitsarana izay hivoaka amin’ny alatsinainy izao ny iray.

Eto indray dia nifampitory ny roa tonta, ireo mpibodo tany sy ny Advantista, momba ny fikasihan-tànana sy ny fanorenana tsy ara-dalàna. Saingy raha oharina amin’ny zava-misy dia toa efa mandresy tsy miady ihany ny Advantista satria tsy hifanohitra velively ny didim-panjakana sy ny didim-pitsarana. Samy nibata izay zakany ireo olona marobe talohan’ny nandravana ireo trano. Torak’izay ihany koa taorian’izay. Raha araka ny fantatra dia misy endrika fisolokiana ihany momba ity fanorenana tsy ara-dalàna ity. Saika efa mpividy tany faninefany avokoa mantsy ireo noroahina ireo. Mazava hoazy fa nisy ni-“bizna” tao anatin’izay rehetra izay. Matoa ihany koa ireo olona ireo nahasahy nipetraka teo dia noho ny fampanantenan’ny olo-ben’ny FAT ny hiazo azy. Saingy niady hatramin’ny farany ny Advantista ary tsy hita intsony izay fomba handresena azy noho ny fananany ny atontan-taratasy rehetra teo am-pelan-tanany. Dia niala fotsiny ny FAT ka ireo olona no niharan’ny rihitra rehetra. 

r.d/Patty

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT