Actualités

Soamanandrariny-Ady tany Ho lasa adin’ny ministeran’ny mponina sy ny Fitsarana


  • Zoma 16 Jolay 2010

Mihahenjana isan’andro ny tady eo amin’ny Fiangonana Advantista sy ireo andian’olona efa namaritra tany tetsy Soamanandrariny. Raha ny fantatra sy hita maso mantsy dia manohy hatrany ny fanorenana trano ireo olona.

Nolazain’izy ireo mazava fa efa nahazo alalana avy any amin’ny ministeran’ny mponina izy ireo ka tsy misy ahiahiany intsony ny amin’izay mety ho tohin’ny tantara. Ny andaniny kosa indray, izany hoe ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana Advantista dia nanazava ihany koa avy amin’ny vaovao nampitainy fa tsy hanaiky ny hilefitra manoloana ny zava-mitranga. «Voahitsakitsaka ny hasin’ny Fiangonana. Voagingavinga ny lalàna velona mifehy ny fananan-tany; ampihorohoroana ny Pastora sy ny mpiasa ao amin’ny foibe Soamanandrariny. Robaina ny tanin’ny Foiben’ny fiangonana Advantista. Trano maro tsy manaja lalàna no mijoro. Voahitsakitsaka ny lalàn’Andriamanitra (Sabata). Lazaina ho olom-bitsy isika mpino Advantista» raha araka io fanambarana io.

Mbola io loharanom-baovao io hatrany no nanamarika fa hisy fivoariambe hataon’ny fiangonana ny alahady izao ao amin’ny Gradin III mba handinihana ny zava-misy. Mbola mihenjan-droa, araka izany, ny tady ary ministera roa no indray voakasiky ny raharaha, indrindra amin’ny famahana ny olana. Saingy toa ampiadian’ny zava-misy ihany ireo. Raha mandresy mantsy ny Advantista dia azo lazaina fa mandresy ihany koa ny ministeran’ny fitsarana. Raha ny mifanohitra amin’izay kosa dia ny ministeran’ny mponina izay nanome alalana am-bava izany no tsy refesi-mandidy. Sarotra ny raharaha... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT