Actualités

SMM sy Riana Andriamandavy Hifampitady aorian’ny 26 jona


  • Sabotsy 24 Jona 2017

Nangina tanteraka i Riana Andriamandavy VII ary tsikaritra ho misitritsitrika tsy toy ny fanaony intsony amin’izao fotoana izao. Efa manomboka matahotra sy mitady lalan-kivoahana manoloana ny fitorian’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) ve ?

 Efa mahatsapa ihany koa fa tsy ho vitavita foana ny raharaha, ka aleo mangina sy mijery ny fitsoky ny rivotra aloha. Tsy mbola tanteraka mandrak’ankehitriny ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana sy ny fampiantsoan’ny fitsarana azy. Raha tena misy ny tany tan-dalàna sy ny fampiharana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena dia tsy ho afa-maina amin’ny fandikan-dalàna nataony ity loholona ity. Samy miandry izay hiseho aorian’ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny rehetra. Ny 28 jona dia hisy ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny SMM eto Antananarivo, handinihana ny fanapahan-kevitra horaisina manoloana ny fanaovan’ny fanjakana be marenina manoloana ny fitakiana maro nataon’izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanenjehana ara-pitsarana an’i Riana Andriamandavy VII, ary eo no mety hivoahan’izay mety ho tohin’ny raharaha sy hahafantarana ny marina. Efa niitatra hatrany ivelany ny raharaha SMM satria hisy ny famelabelarana arahina adihevitra mikasika ny fitakian’izy ireo sy ny fahaleovantenan’ny fitsarana eto Madagasikara, hataon’ny filohany Fanirisoa Ernaivo any Frantsa rahampitso 25 jona ary any Généve Suisse ny 7 jolay izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT