Tetikasa 5 no voatsonga niatrika ny fifaninanana “Smart Apps Challenge 2015” nokarakarain’ny Microsoft Océan Indien niaraka tamin’ny Orange Madagascar sy HMRawat ny zoma 29 mey teo tao amin’ny hotely Akoa Ivandry.
Notolorana mari-pankasitrahana ireo telo voalohany ka nisongadina tamin’izany ireo mpianatra avy amin’ny IT University. Nahazo ny laharana voalohany mantsy ny Application bachelier Malagasy notarihan’i Tojo Andriamanga izay fitaovana tena fampiasa afaka manampy ireo mpianatra vao nisitraka ny diplaoma bakalorea hahay hisafidy ny lalàm-piofanana miaraka amin’ny fitiliana ireo sekoly ambony mifanaraka amin’izany. Mbola ny ekipan’i Aly Fazile avy amin’ny IT University ihany koa no nandrombaka ny laharana fahatelo tamin’ny alalan’ny application Madagascar Tourisme, fitaovana natokana ho an’ireo olona liana te hahafantatra an’i Madagasikara. Mifanaraka amin’ny filan’ny mponina eto Madagasikara avokoa ireo fitaovana hairaha avo lenta nosafidiana tao anatin’ny maro ireo. Ho hita tsy ho ela amin’ny tsenan’ny Microsoft moa ireo ketrika novokarin’ny tanora Malagasy izay natao handrangitana ihany koa ny sain’ny zatovo Malagasy tia karokaroka. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa efa nandrombaka ny fifaninanana WebCup 2014 ihany koa ny mpianatry ny IT University.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.