Nanamarika ny andron’ny fifampahatsiarovana ny Federasionan’ny skotisma zazavavy eto Madagasikara ny sabotsy teo. Teny amin’ny “Centre de developpement Andohatapenaka” no nanamarihana izany niarahana tamin’ny Mpanazava avy amin’ny fiangonana Protestanta, ny Tily avy amin’ny fiangonana katolika ary ny Kiady izay tsy mifidy finoana.
Lohahevitra noraisin’izy ireo ny hoe : “mamela marika”. Amin’ny ankapobeny dia tokony hamela marika eo amin’ny manodidina azy sy ny mpiara-belona aminy ny skotisma zazavavy, raha araka ny fanazavan-dRakotoarivony Faniry, mpampianatra eo anivon’ny kolejin’ny Skotisma zazavavy eto Madagasikara ( SZM). Tamin’ity indray mitoraka ity dia fifampizarana sahan’asa fanabeazana no nataon’izy ireo tamin’ireo zanak’olona sahirana beazina eo anivon’ny CDA. Anisan’ireny ny soatoavina, ny fiarovana ny tontolo iainana, tafiditra ao anatin’ny fanatrarana ilay tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy na ny ODD. Teo ihany koa ny fampirisihina ny ankizy mba hianatra narahin’ny fizarana kahie, stylo, ary kitapo sy fitaovam-pianarana maro samihafa ho an’ireo mpianatra. Tafiditra tao anatin’ny fahatsiarovana ny tsingerin-taona nahaterahan’ny filoha mpanorina ny skoty ny jeneraly Anglisy Lord Baden Powel sy Lady Olave vadiny izao hetsika izao izay samy teraka ny 22 febroary avokoa. Miisa 70.000 ankehitriny ireo mpikambana eo anivon’ny Federasionan’ny Skotisma zazavavy 4 ka hatramin’ny 25 taona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.