Actualités

SIRAMA Maromamy Brickaville Hitady mpiara-miombona antoka ato anatin’ny 100 andro


  • Talata 07 Aprily 2015

“Tsy maintsy ahitantsika miaraka mpiara-miombona antoka ny famelomana ny sirama Maromamy ao anatin’ny 100 andro. Tsy hamidintsika amin’ny vahiny fa fiaraha-mientantsika miaraka amin’ny sehatra tsy miankina Malagasy…”

 

Izay no nambaran’ny minisitra indostria sy fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina Rafidimanana Narson, izay nitsidika ny Sirama Maromamy Brickaville ny zoma teo. Nomarihany hatrany fa efa voaloan’ny fanjakana ny 7 Arivo tapitrisa vary mangatsiakan’ny orinasa teo anivon’ny Cnaps nanomboka ny taona 2010. “Sirama mandeha, Brickaville mandroso” no sorabaventy narantin’ireo mpiasan’ny sirama nombam-bady tao Maromamy Brickaville, satria efa ho 64 volana, 01 desambra 2009 hatramin’izao, no tsy an’asa ireo mpiasa miisa 326. Nisy ihany koa ny fanolorana ilay fanampiana fandrain’ireo mpiasa hany sisa tavela in-3 isan-taona, ny paska – ny 26 jona – ary ny faran’ny taona, izay mitentina 40.000 Ariary isany. An-kilan’ireo olana amin’ny mpiasa tsian’asa tao anatin’ny 6 taona latsaka, dia miaina ao anatin’ny fahasimbana tanteraka ny orinasa ankehitriny, manginy fotsiny koa ny fahamaizana nihatra taminy ny taona lasa ary ireo halatra ara-pitaovana sy vy ihany koa. Niaiky izany ny tale jeneralin’ny sirama Malagasy Rtoa Moussa Aissa, izay mbola nanamafy koa ny fisian’ireo olona miditra an-keriny sy mangalatra ny tanin’ny sirama Maromamy. Ankoatra izay dia miandry ny hisokafany ao anatin’ny RRI 100 andro ny minisiteran’ny indostria sy fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ihany koa ny orinasa maro nikatona noho ny krizy sy ny tetezamita, ka anisan’ireny ny orinasa ny vondrona Tiko izay namelona olona ana hetsiny sy mpiasa an’aliny ary reharehan’ny orinasa Malagasy ihany koa.

 

Rakoutou

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT