Tapa-bolana taorian’ny nandraisana ny vola tsy voaray tao anatin’ny 19 volana sy tapany, dia nivoaka teo anivon’ny orinasa Sirama ao Brickaville indray ny afisy milaza fa hoe miditra amin’ny “chômage technique” ny rehetra.
Ny orinasa anefa efa an-taonany maro no tsy nihodina sy efa simba tanteraka. Nanomboka ny 31 desambra 2009 ary hifarana ny 31 mey 2010 izao ity fiatoana ara-teknikan’ny mpiasa ity, ka eo no nahatonga ny mpiasa sy ny vady aman-janany hiahiahy momba ny hoaviny sy ny volan’ny mpiasa ambiny eo anivon’ny Sirama Brickaville. Nisy noho izany ny sora-baventy nentin’izy ireo ho hitan’ny solontenam-panjakana FAT nandalo tao Brickaville ny alatsinainy teo. Araka ny nambaran’ireo vady aman-janaky ny mpiasa dia “mbola misy zon’ny mpiasa tsy azo maro eo anivon’ny orinasa sirama Brickaville. Misy ny Cnaps, ny volan-jaza, ny ‘13ème mois’, ny zo amin’ny tsy fakana fialan-tsasatra ary ny faharetam-piasana… Ho tapitra ny faran’ny volana mey izao anefa ilay fiatoana ara-teknika ka hanao ahoana ny hoavin’ny vadinay aorian’izany ?”. Nambaran’izy ireo hatrany koa fa “ny vola 1.400 tapitrisa ariary nanaovana lanonam-be nanomezana ny karaman’ny mpiasa ny volana novambra 2009 teo, dia vola nosamborin’ny fanjakana FAT teo anivon’ny trésor Malagasy izay mbola ny mpiasa ihany no hizaka ny fandoavana azy raha miditra amin’ny fisintahana sy fitantanana tsy miankina ny orinasa araka ny efa fandaharam-potoan’ny fanjakana hatramin’izay”.
Tamin’ny fizarana ny vola ny volana novambra ny taona lasa dia 1,2 tapitrisa ariary ny vola farany ambany, noraisin’ny mpiasa tao anatin’ny 19 volana sy tapany. Nisy koa ireo nandray nihoatra ny 10 tapitrisa ariary. Nambaran’ireo mpiasa anefa fa “tsy misy nohanina ny karama mba noraisina ny taona lasa io fa lany nandoavana trosa avokoa ka efa miditra tahaka ny teo aloha indray izahay izao. Miaina amin’ny fihantran’ny olona amin’ny fisamborana amin’ny alalan’ny trosa hafa indray aloany hahazoana indray ny zo manaraka”. Ankoatra izay, mangataka ny fanazavana matotra amin’ny fanjakana tompon’ny orinasa ny mpiasa mikasika ny hoavin’izy ireo. Raha tsy tafavoaka ny fisintahana atao dia tokony hambara mazava mba tsy hisian’ny fiandrasana lava izay miteraka adin-tsaina sy fahantrana lalina ho an’ny mpiasa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.