Actualités

Sinoa voasambotra teny Ankazomanga Nifoka rongony no sady nanao trafikana sokatra


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Teratany Sinoa iray efa niditra am-ponja no tra-tehaka teo am-pifohana mahadomielina. Nandritra ny fisavana ny toerana nipetrahany no nahatrarana rongony 21,6 g teny aminy ary nahitana sokatra miisa 24 tao anaty gony . 39 taona ity teratany vahiny ity izay voasambotry ny polisy miady amin’ny zavamahadomelina (STUP) Anosy,

 

 

 

 

  afak’omaly 4 martsa,  teny Ankazomanga. Resaka fidorohana no niaingan’ny fikarohana. Ny alatsinainy teo, nahazo vaovao ny tompon’andraikitry ny polisy ao amin’ny STUP fa misy teratany vahiny iray midoroka mahadomelina ao amina trano fandraisam-bahiny iray eny Ankazomanga, araka ny fampitam-baovaon’olon-tsotra. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana teny Anosy nijery ny zava-nisy. Teratany sinoa iray no tra-tehaka. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahalalana fa efa matihanina amina resaka trafikana sokatra izy ary efa nigadra tamin’io sy fitazonana fitaovam-piadiana tsy nahazoana  alalana ny taona 2016. Nalefa eny amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana izy hatao fanadihadiana. Miandry ny tohiny ny mpanara-baovao. Maro ireo mpanondrana tratra fa ny dahalo ambony latabatra ambadik’ireny mpitavandra ny harem-pirenena ireny, tahaka ny mpamatsy, ny mpamoaka, ny mpandray, ny mpanamora ny fanondranana mbola mitoetra ho baraingo hatrany ka mitaky valiny mangarahara.

Haja Nirina

Sary fanehoana

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

Hijery ny tohiny
FTT