Efa tena tsy voafehy intsony ny fidiran’ny teratany vahiny eto Madagasikara. Nanaitra ny rehetra, indrindra fa ny tompon’andraikitra mahefa eto amin’ny firenena tamin’ny alalan’ny fandefasana hafatra tao anatin’ny tambajotra ara-tsosialy fesiboky ny mpandraharaha Ny Rado Rafalimanana omaly 23 janoary.
Anton’izany ny fahitany tranga hafahafa niseho nandritra ny fandraisany zotram-piaramanidina niala tao amin’ny Nosy Maorisy hihazo an’i Madagasikara. Zara raha nisy Malagasy 3 ny mpandeha ary sinoa sy karana no nameno ny fiaramanidina, hoy ity mpandraharaha ity. Manahy ny tenany fa sao tsy voafehintsika intsony ny fidiran'ireo vahiny ireo. Ny mampanahy dia tsy mpizahatany na mpandraharaha intsony ny fahitana azy ireo fa tena olona hifindra monina mihitsy. Ny mahaketraka, hoy hatrany io mpandraharaha io, dia ny fananan’izy ireo pasipaoro Malagasy kanefa tsy misy mahay miteny Malagasy akory ry zareo. Tokony handray fepetra amin’ny fanivanana ireo vahiny miditra eto isika ary tokony ho sarotiny amin’ny fiarovana ny tanindrazana. Tsy mba sarotiny sy tsy manaja ny maha Malagasy intsony ny maro an’isa, ka hararaotin’ny vahiny ny maha firenena lavo sy hanjakan'ny kolikoly, an’i Madagasikara, hany ka very hasina tanteraka ny firenena. Matoa ny firenen-kafa mandroso dia saro-piaro amin’ny azy, ary mitandro hatrany ny voninahitry ny firenena tsy hanaiky hozimbazimbain’ny hafa. Tsy ny fidiran’ny vahiny eto no ratsy fa ny fisian’ny gaboraraka, izay tokony hofehezina satria aleo tsy misy toy izay hamotika sy handrava.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.