Sinoa iray miandraikitra ny tetikasa momba ny fambolena vary Hybride any Ambatondrazaka no nisy namono ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma. Feno ratra tanteraka ny lohany sy ny tanany
. Vokatr’izay ratra nahazo azy izay dia tsy nahatsiaro tena izy. Tsy mbola fantatra hatreto ireo nahavanon-doza. Omaly zoma tamin’ny fito ora maraina izy no nampidirina haingana tao amin’ny hopitaly Ambatondrazaka ary tamin’ny 1ora folakandro no nalain’ny fiaramanidina manokana nentina notsaboina eto Antananarivo. Fanindroany izao no nisy teratany Sinoa nisy namono tany Ambatondrazaka, saingy ity farany mbola avotra ny ainy fa ilay taloha dia nalan’ireo jiolahy hatramin’ny fofonainy. Marisarisa indray ny fandriampahalemana any Ambatondrazaka any.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.