Actualités

Sinoa mpitrandraka vato eny Ambohimalaza Velon'ahiahy ny mponina


  • Talata 24 Janoary 2017

Velom-panahiana ny amin’ny fisian’ireo sinoa mpitrandraka vato amina kariera iray eny an-toerana ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohimalaza.

 Efa nanomboka ny taona 2006 izy ireo no nonina tao amin’ity kaominina ity izay misy andiana lehilahy 20 ka hatramin’ny 25 isa izay samy tsy mbola manambady. Eo an-danin’izay dia sady tsy mandoa tamberim-bidy amin’ny kaominina izy ireo  no mbola manimba ny tontolo iainana ihany koa. Isaky ny mitaky izany ny  Ben’ny tanàna Ramanantsoa Mbola dia ailik’ireo mpahazo tombontsoa  any amin’ny kaominina Ambanitsena hatrany, ity kaominina farany izay fantatra fa tsy nahazo izany ihany koa. Velaran-tany 79 ha no trandrahan’ireo sinoa ireo ary ny fanaovana asa sosialy tsotra toy ny fanomezana sakafo ho an’ny olona sahirana no mba hatao isaky ny fety. Tsy nisy kosa ny asa mivaingana toy ny asa fanamboaran-dalana sy ny sekoly. Ho an’ny Ben’ny tanàna manokana dia  ny mety hanimban’ireo Sinoa ireo ny  maha izy azy ny tanànan’Ambohimalaza no tena atahorany, indrindra fa ny fanimbana ireo zazavavy taranak’ity kaominina ity. Efa nisy moa ny resaka nifanaovan’ity Ben’ny tanàna ity tamin’ny lehiben’ireo sinoa ireo saingy tsy mbola nisy valiny hatreto.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT