Miha mitombo isa ireo olona be volombava sy misarebareba fitafy hita mifamezivezy amina toerana maro eto Madagasikara.
Taorian’ireo teratany Pakistanais 12 lahy tsy ara-dalàna nalefa nody, dia efa saika mielipatrana amina faritra maromaro eto Madagasikara izy ireo miaraka amin’ny entany. Enina no hita teny Antaninarenina ny alahady teo ; manodidina ny 20 ny tany Mahavelona Foulpointe ; nahitana maromaro tany Sainte Marie. Efa nisy maromaro ihany koa hita tany Mahajanga omaly, ary azo sary teny amin’ny seranan-tsambo. Tsy fantatra hatreto ny fiaviany ary tsy mazava ny fomba nidirany teto na ara-dalàna na tsia. Ny fananganana moske any amin’iny ilany atsinanan’ny Nosy ihany koa mihazakazaka sy mihamaro andro aman’alina, izay tsy fantatra na misy hifandraisany amin’ireto be volombava mameno tanàna ireto. Mangina sy tsy handrenesam-peo ny fanjakana manoloana izao toe-javatra izao. Sahy nanakiana mafy sy nanenjika ny famoaham-baovao momba ny fivoahan’ny resaka fampidirana mpitsoa-ponenana ny fanjakana. Inona izany izao mitranga izao ? Inona no tsy hitondran’ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka fanazavana momba ireny vahiny tsy fanta-pototra, tsy hay na efa silamo mahery fihetsika na inona ireny ? Tsy azo heverina mihitsy ho mpizahatany izy ireo. Tsy toy ny vahiny avy any Eoropa tonga hanao fiainana satria na ny manambady vehivavy Malagasy aza, toa fady ho an’ny ankapoben’ny silamo, izay saro-piaro amin’ny fomba amam-panaony. Miha henika azy ireo i Madagasikara. Mahagaga sy mahatalanjona ilay fahanginan’ny fitondram-panjakana ka mahatonga ny olona hieritreritra zavatra hafa. Manaiky matoa tsy miteny !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.