Actualités

Silamo mibaby entana Mitombo isa ireo mivezivezy eny an-dalambe


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Miha mitombo hatrany ny sarina silamo be volombava, manao akanjo rebareba, mibaby kitapo be sy mitondra harona mandeha an-tongotra eto amintsika.

Nisy enina (6) mirahalahy indray tazana ary azo sary teny Antaninarenina manakaiky ny banky foiben’i Madagasikara omaly alahady. Mandeha an-tongotra ry zareo, tsy mahay miteny Malagasy, tsy mahay teny Frantsay sy Anglisy. Tamin’ity herinandro ity ihany dia manodidina ny roapolo (20) lahy ihany koa no tazana mandeha an-tongotra miaraka amin’ny entam-be tany Mahavelona (Foulpointe). Tsy fantatra intsony izay tena marina amin’ireto silamo be rebareba miaraka amin’ny entana ireto. Mpitsoa-ponenana avy any amin’ny misy azy any ve ? Syriana ve sa Irakiana sa Pakistanis ? Ahoana marina ny fomba nidiran’izy ireo teto Madagasikara ?  Azo antoka fa olom-baovao fa tsy tahaka ireo mitovitovy endrika sy fitafy aminy efa nonina ela teto Madagasikara ireto olona mandehandeha amin’ny andiany ireto. Raha vatan-dehilahy Malagasy manao andiany 10 na 20 miloloha entana mivezivezy an-tanàn-dehibe na eny amin’ny lalam-pirenena, mailaka ery ny polisy na zandary manakana sy manontany ny kara-panondrony. Fa nahoana kosa no afaka mivezivezy am-pitoniana ireto silamo be volombava ireto ? Sao lahy ka mitombina ihany ilay hoe nisy fifanarahana tany ho any dia alefa tsikelyikely miditra eto Madagasikara ny mpitsoa-ponenana !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT