Actualités

SIF sy ny Transparency International Hijery manokana ireo olana momba ny fananan-tany


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Na dia efa in-droa nohatsaraina sy nohavaozina aza hatramin’ny taona 2005 no ho mankaty ny politikan’ny fananan-tany eto amintsika dia tsy misy fiantraikany amin’ny vahoaka ihany, indrindra fa ny fiarovana ny taniny, hoy Raparison Eric, filohan’ny SIF.

 

 Hisy ny atrikasa lehibe hotanterahin’ny Sehatra iombonan’ny Fananantany sy ny Transprency International manomboka anio alakamisy 23 novambra haharitra roa andro izay hanasana vahiny marobe tokoa. Anisan’ireny ireo olona lasibatry ny fibodoana tany izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika, ny minisitera tompon’andraikitra misahana izany, ny olon-tsotra…. Zavatra maro loha no hodinihina ao. Anisan’ireny ny fanamboarana kadasitra tsy vita hatramin’ny farany, ny tany mbola vita titra amin’ny voanjo nefa efa hipetrahan’ny Malagasy tompon’ny tany, ny fibodoana ny  tany etsy sy eroa izay saika lasan’ireo teratany vahiny avokoa ary mpanam-bola Malagasy maro no ambadika, ny fanihilana ny vehivavy amin’ny zo hahazo tany nefa izy ireny no tena miasa….Hisy ny fehin-kevitra havoaka aorian’io atrikasa io, ary hatolotra ny fitondram-panjakana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT