Actualités

Sherritt Ambatovy Mety hanala orinasa mpiara-miasa indray


  • Zoma 04 Desambra 2015

Mandalo fotoan-tsarotra ny orinasa mpamokatra nikela ao Ambatovy. Ny antony voalohany araka ny hita ao amin’ny tatitra ataon’ny radio frantsay RFI dia ny fidinan’ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izay lasa 8 000 dolara ny iray taonina ankehitriny. Izany hoe nidina hatrany amin’ny 1/6 ny vidin’ity akora ity hatramin’ny nisokafan’ny orinasa hatramin’ny taona 2007.

 

Araka ny  fanambaran’Atoa Tim Dobson, tale jeneralin’ny  orinasa   mpitrandraka  nikela any Ambatovy ihany  koa dia nisy  fiantraikany amin’ny  fitantanana ara-bolan’ny  orinasa ihany  koa ny trosan’ny orinasa izay  mitentina 175 tapitrisa dolara hatrany  tsy  voaloan’ny  fanjakana. Tamberin’ny  hetra TVA  hatramin’ny  taona 2012 io vola  io araka ny  fanazavana. Tsy  mbola  hisy aloha   ny fandroahana  mpiasa raikitra  araka ny  fantatra saingy ny  fifanarahana amin’ireo  orinasa  mpiara-miasa  amin’ny  orinasa Ambatovy no mety hisy fiatoany na fahatapahany tanteraka  mihintsy. Marihina fa ireo orinasa mpiara-miasa amin’ny orinasa  mpitrandraka  nikela ao Ambatovy ireo dia mampiasa ny 2/3-n’ny mpiasa  9000 izay  mpampihodina ity  orinasa mpitrandraka nikela anisan’ny lehibe indrindra aty Afrika ity.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT