Mba ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, indrindra fa ireo mahay misafidy ny hampiasa solika tsy mandany hampiasaina amin’ny fiarany dia mikarakara fifaninanana goavana ho azy ireo antsoina hoe :
« shell extra challenge » ny tobim-pivarotan-tsolika Shell. Tany Antsirabe no nampahafantarana tamim-pomba ofisialy ny lalao ny faran’ny herinandro teo. Raha mampiasa shell super extra sy shell diesel extra ny mpanjifa iray voasarika amin’ny alalan’ny antsapaka ho an’Antananarivo sy Toamasina ary Antsirabe dia hisy ny fanofanana omena azy ireny amin’ny fahaizany mitsitsy solika. Arahina fanofanana momba ny fitondrana fiara tsy mandany solika izany, ny fiarovana amin’ny loza mety hitranga mandritra ny familiana raha farany izay tsy kely akory dia fandefasana azy hamily fiara Suzuki Jimny vao novokarin’ny orinasa Sicam farany teo. Shell super extra no hampiasaina amin’izany amin’ny alalana halaviran-dalana mirefy 50 Km. Izay mpamily tsy mandany solika indrindra no hahazo ilay fanomezana solika herintaona tsy handoavam-bola, lalao vaovao be eto amintsika. Efa nahatratra 30 sahady moa ireo nandray anjara tamin’ity lalao ity tao anatin’ny telo andro.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.