Velon-tairana fatratra amin’ny fahoriana iainan’izy ireo andro aman’alina ny mpianatra malagasy mandranto fianarana any Chine.
Mampahalala ny fikambanana AEMS (Association des Etudiants Malagasy à Shanghai) fa hiditra amin’ny volana septambra io ny taom-pianarana vaovao amin’ny oniversite ianaran’izy ireo ao an-toerana. Tsy ho afaka hanavao ny fisoratana anarana anefa ireo mpianatra malagasy ireo raha tsy voaloa ny trosa amin’ny hofan-trano sy ny saram-pianaran’izy ireo tamin’ny taon-dasa ary havaozina ny “visa” an’izy ireo satria ho tapitra amin’ny faran’ity volana aogositra ity ny eo am-pelatanana. Misy mpianatra roa amin’izy ireo koa niditra hopitaly tao anatin’ny tapa-bolana. Tamin’ny 23 jolay dia tovovavy iray no nodidiana kysta tamin’ny nonony, ka tsy maintsy nandalo fandidiana maika. Ny 4 aogositra teo indray dia tovolahy iray no tapaka lalandra, vokatry ny adin-tsaina nateraky ny fitaintainan-dava noho ny tsy fahampiana. Mbola tsaboina any amin’ny hopitaly izy io amin’izao. Tao anatin’ny efa-taona nianarana tany Chine hoy hatrany ny AEMS dia 11 volana ihany no mba nandraisan’ny mpianatra malagasy vatsim-pianarana avy amin’ny fanjakana malagasy ka tamin’ny 1 septambra 2014 izy ireo no nandray vola farany. Nisy taratasy nalefan’ny A.E.M.S. any amin’ny governemanta malagasy manaitra ity farany handray andraikitra manoloana izao toe-javatra iainan’ny mpianatra any Shanghai izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.