Fomba fiantsenana hafa kely ny tolotra Speed na «Service Speed» ary anisan’ny manamora fiainana sy manena ny fandaniana amin’ny fiantsenana. Ahafahan’ny mpanjifa rehetra tsy ankanavaka mividy entana amin’ny vidiny mora izany ary tsy mila mandehandeha sy mivoaka ny trano intsony.
Mahazo ny vidin’entana ambongadiny hatrany ny rehetra, eny na dia vitsy aza ny zavatra jifaina. Santionan’entana anisan’ny mora amin’izany ny zava-pisotro Dynamic izay amidy 1 300 ariary ny iray raha 350 ariary ny paty “Presto” ary 2 900 ariary ny savony Citron Plus. Mora ampiasaina ihany koa anefa ny «Service Speed» ary tsy mampiasa saina akory. Miantso mivantana ny «Service Speed» ianao mpanjifa milaza izay entana ilainao, dia izy avy eo no mampaniraka olona hanatitra ny entana vidiana eny amin’izay toerana misy anao. Efa tonga am-pelatananao kosa izany vao mandoa ny vola vidin’entana ianao ka tsy atahorana ny fahaverezan’ny vola na izay mety ho tsy fahafaham-po. Voaray mantsy ny entana vao mamoaka vola ny mpanjifa ary izay zavatra ilainao ihany no aloanao vola. Ankoatra izay dia manana tombony manokana tahaka ny mpanjifa ireo mpamatsy maniry hiara-hiasa amin’ny “Service Speed”. Miara-miasa akaiky amin’ny haino aman-jery sy gazety maro mantsy ny orinasa, anisan’ny mpiara-miasa akaiky aminy ireo “Agences” Vidy Varotra enina eto Antananarivo. Malalaka sy afaka manao dokambarotra maro ahafahana manatona bebe kokoa ny mpanjifa, araka izany, ny tolotra “Speed”.
Entana maro no voakasik’ity tolotra ity ka saika tafiditra ao avokoa ireo fitaovana sy entana samihafa ilaina andavanandro tahaka ny sakafo isan-karazany na ny PPN, ny fitaovan’ny zaza, ny fitafy, ny zava-pisotro isan-karazany, ny tapakila fidirana amin’ny fety isan-karazany ary ireo fitaovana manaraka ny teknolojia sy ny finday isan-karazany. Ahitana io tolotra io avokoa ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ireo tanàna manodidina azy akaiky. Tombony manokana ho an’ireo mpamatsy maniry sy vonona hiara-hiasa mivantana amin’ny «Service Speed» ary tombony ho an’ireo mpanjifa tsirairay isan-tokantrano ihany koa. Ho an’ireo mila fanazavana fanampiny mikasika ny tolotra kosa dia afaka manatona avy hatrany ireo birao Vidy varotra rehetra. Agences Vidy Varotra : Andoharanofotsy, Soanierana (Enceinte Mak Motors), CITIC Behoririka, Ambatonakanga, Ampefiloha, ary Ankorondrano.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.