Actualités

Seraseran’ny samy kandida Hanjakan-dRavalomanana


  • Alarobia 07 Jona 2017

Efa 13 taona izao no nisian’ny tambajotran-tserasera “facebook”, noforonin’ilay teratany Amerikanina Mark Zuckerberg, izay mitana ny laharana faha-5 amin’ireo mpanefoefo amin’ny vola dolara amin’izao fotoana.

Efa tafaroboka tanteraka ao anatin’ny fampiasana azy ny Malagasy, indrindra fa ny mponina an-drenivohitra, lohalaharana amin’ireny ny tanora. Ny resaka serasera no tena ampiasana azy ity, ka na ireo mpanao politika eto amin’ny firenena aza dia mampiasa azy ny ankamaroany. Ho an’ireo mpanao politika vaventy sokajiana ho kandida filoham-pirenena amin’ny taona 2018 dia misehatra tanteraka azy io ny ankamaroany. Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina dia vao haingana no namorona ilay pejy “Fotoam-bita” ankoatra ny pejy ofisialin’ny fiadidiana ny repoblika. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany koa dia manana ny pejiny manokana “Marc Ravalomanana – Ofisialy”. Tsy tara koa i Andry Rajoelina, izay ahitana vondrona sy pejy maromaro. Tsy vitsy ireo olom-pirenena mijery sy manaraka ireny pejy ireny. Ny tsikaritra aloha dia mitana ny laharana voalohany i Marc Ravalomanana amin’ny fanarahana sy fankafizan’ny olona. Ho an’ny pejiny ofisialy, dia mahatratra hatrany amin’ny 66 739 ireo olona manaraka akaiky ny vaovao mikasika ny filoha teo aloha. Ho an’ny pejy ofisialin’ny fiadidiana ny Repoblika, izay hisian’ny vaovao isan-karazany mikasika ny zavatra ataon’ny fanjakana sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina kosa dia 41 962 ireo mpanaraka ny vaovao mikasika azy. Ho an’i Andry Rajoelina dia maromaro ireo pejy ahitana ny momba azy fa ny tena miresaka ny vaovao mikasika azy sy ny orinasany dia ny pejy CS ANR (Club Supporteurs Andry Nirina Rajoelina), ka 12 406 kosa ireo manaraka akaiky azy. 30 371 kosa izany ho an’i Hajo Andrianainarivelo. Miteny ho azy ny isa fa na iharan’ny antsojay raha samy mpanao politika aza i Marc Ravalomanana noho ny fahatahorana azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena, dia mbola be mpanaraka sy mpankafy raha ny resaka fesiboky no resahina. Raha ireo mpanao politika notanisaina ireo no horaisina ohatra dia samy manana ny orinasan-tseraserany avokoa ankoatra an’i Marc Ravalomanana, ka afaka mandresy lahatra hatrany ny mpanohana. Ity farany kosa na hanaovana antsojay aza dia mbola voaporofon’ny tambajotra ara-tsosialy fa mbola mbe mpanaraka sy mpanohana. Ekena fa tsy hamoaka ny tena valiny amin’ny fifidianana ny resaka fesiboky saingy azo heverina ho tandindon’ny voka-pifidianana ho avy ireny.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT