Nodimandry omaly alahady 25 febroary maraina teo amin’ny faha-70 taonany ny talen’ny fifandraisana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblikan’i Madagasikara, Tsilavina Ralaindimby.
Ny volana novambra 2014 izy no voatendry hiandraikitra ity asa ity tato anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Olobe tena nilona sy efa nanana andraikitra maro teo amin’ny tontolon’ny serasera Malagasy i Tsilavina Ralaindimby. Nisantatra izany teo anivon’ny televizionina Malagasy izy taorian’ny fianarana nataony teo anivon’ny Studio Ecole de l’Ocora, Maisons Laffitte, Frantsa, ny taona 1967 ka hatramin’ny 1969. Nampiavaka azy ny fahaiza-mamorona fandaharana mivoy ireo kolontsaina misy manerana ny nosy toy ny hita amin’ny Fitampoha sy ny Zafimaniry. Efa minisitry ny serasera izy ny taona 1993 ka hatramin’ny 1995 ary nampandraiketana ny lafiny serasera nandritry ny lalaon’ny nosy 1996. Vao 1 volana mahery kely, ny 11 janoary teo moa no nodimandrykoa Itompokolahy Leon Rajaobelina izay mpiara-miasa akaiky ary anisan’ireo heverina ho nanana ny fahaizany, indrindra teo anilan’ny filoham-pirenena ihany koa. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany ny gazety Tia Tanindrazana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.