Actualités

Seraseran’ny filoham-pirenena Nikorontana indray omaly


  • Talata 21 Novambra 2017

Niseho indray ny tsy fahamatorana teo amin’ny fiadidiana ny Repoblika omaly.

 Ny programan’ny filoham-pirenena no resaka eto. Omaly alatsinainy 20 novambra dia nambara fa hiatrika ny fitokanana ny fotodrafitrasan’ny lisea teny Ambohimangakely ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Ny antoandro anefa dia nivoaka indray ny fanambarana fa tsy hiatrika izany ny tenany. Nihazo ny faritra Melaky sy Menabe nanotrona ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa tosika ho amin’ny fampandrosoana ny faritra Melaky sy Menabe (AD2M) izy. Nandritra io no nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny vato fototry ny asa fanombohana ny tetikasa fananganana toho-drano famatsian-drano ny lemaka any Melaky miainga amin’ny reniranon’i Tsiombiroky sy Ankatrafay. Velaran-tany 6.400Ha no hotondrahana amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa hatsangana, ka olona hatrany amin’ny 30 000 no hisitraka ny tombontsoa amin’ny fahafahana manondraka azy ity. Mahatratra 200-250 tapitrisa dolara no avy amin’ny mpamatsy vola, ary nisy ihany koa ny fandraisana anjaran’ny fanjakana. Nibahan-toerana kosa ny avy amin’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana ny fambolena. Fa dia tsy azo alamina mihitsy ve ilay fandaharam-potoana sa entina amin’ny fataitairana fotsiny ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT