Antso ho an’ny Malagasy tahaka ahy sisa no azoko atao, satria na ny fanjakana aza dia toa miraviravy tanana.
Tsy manana n’iza n’iza itokisana intsony izahay izay mahatsiaro ho voafitaka, ka dia ny mitaraina amin’ny Vahoaka sisa no azo atao. Herintaona mahery tokoa mantsy izay dia nampanantena «ordinateur portable» ho anay io orinasa io. Naloanay ny vola, ary nanaraka ny “procédure” rehetra izahay ary nanara-dalana tanteraka. Tsy tonga anefa ireo solosaina nampanantenaina ireo. Herintaona mahery tokoa izay no namezivezeny anay teny Antanimena. Vahoaka izay manantena ny hahazo zavatra tsara, nefa dia voafitaka tanteraka. Rehefa tezitra izahay, dia avezivezy ny sainay ka nampanantenaina indray: Samsung Galaxy, htc android, na camera 19 Mo Pixels. Tamin’ny 3 janoary io, ary ny nampanantenaina izahay fa ny 30 mey teo no handraisana ny entana. Nony tonga teny ny tenanay dia nilazana indray fa mbola tsy tonga ireo entana ireo nohon’ny antony ara-taratasy. Kivy izahay … Mangataka fanampiana amin’izay mba afaka hanampy anay re izahay tompoko. Raha mba teo manko izao i Tompokovavy Nadine Ramaroson dia mba nanampy anay, hoy i R.S
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.