Actualités

Serasera amin’ny finday Efa ho 700 Ariary ny saran’ny iray minitra


  • Alakamisy 19 Novambra 2015

Misoko mangina ny fiakatry ny saran’ny serasera amin’ny finday ampiharin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra eto Madagasikara

 

. Entim-pahazarana ny olona amin’ny fampiasana finday, noho izy anisan’ny fitaovan-tserasera be mpampiasa, ka tsy dia mahatsapa ny fitrohan’ny fahana ao anatiny raha tsy efa ritra. Aza mba manana tahirina fahana misimisy ianao ao anaty finday, fa dia ihazakazahany ny mitroka an’iny ary eo ianao vao gina sy ho diso tetika raha mihevitra ny handrindra fandaniana ny fahana. Rehefa atao ny kajikajy dia efa ho 700 Ariary ny saram-piantsoana iray minitra ankehitriny raha 200 Ariary latsaka izany tamin’ny taona 2011. Noho ny haba alain’ny fanjakana avy amin’ny alalan’ny OMERT ve ? Efa tsy rariny kosa a !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT