Nampiseho ny firaisankinany ireo mpitatitra amin’ny kamiao sy ireo “Transitaires” omaly, nanombohan’ny fitokonana lavareny ataon’izy ireo,
noho ny be marenina ataon’ny MICTSL sy ny fivadiham-pitokisana nataon’ity orinasa ity, manoloana ny fitakian’ireo mpitatitra mba hanafainganana ny famoahana ny kaontenera kirakirainy, ny hanamarinana anaty taratasy ny fotoana fidirana sy ny fivoahan’ny fiara ao amin’ny MICTSL ary ny hisian’ny dinika amin’ny an-daniny sy an-kilany. Vao maraina dia efa tonga teo am-bavahadin’ny seranan-tsambo ireo filohan’ny fikambanan’ny mpitatitra nahitana ny F3MFT (Fikambanan’ny Mpamily sy Mpamily mpanampy Mpikirakira Fitaterana Toamasina), ny APTR (Fikambanana Matihanin’ny Mpitatitra amin’ny Lalam-pirenena), ny ATGT (Fikambanan’ny Mpitatitra amin’ny Gara Toamasina), ny GPTE (Vondron’ny Matihanin’ny Mpitatitra Atsinanana) ary ireo vondron’ny “Transitaires”. Niezaka nifehy ny olony avy izy ireo ny tsy hibahan-dalana fa hanao ny fitakiana am-pilaminana. Noho ity fitokonana ity dia nihitsoka ao amin’ny seranan-tsambo Toamasina ny volam-panjakana anaty kaontenera vao tonga tamin’ny sambo ny marainan’ny talata teo. Efa vonona hamoaka izany ihany ireo zandary avy amin’ny sakelika GSIS misahana ny fiarovana amin’ny fitaterana ireo vola ireo sy ny orinasa AUXIMAD misahana ny famoahana azy, saingy teo amin’ny fiara fitaterana azy hihazo ny Banky foibe ao Toamasina no tsy nisy. Nilaza ireo mpitokona fa tsy nanakana ireo kamiao mivoaka izy ireo fa ny miditra no tsy mety. Fantatra anefa fa miankina amin’ity vola anaty kaontenera ity ny fandoavana ireo karaman’ny mpiasam-panjakana ara-dalàna tafiditra ho matoatoa farany teo. Ankoatra izay, misavoritaka ihany koa ireo sambo madinika manao fitaterana mianavaratra, satria nihitsoka ireo entana tokony hoentin’izy ireo ho any Mananara Avaratra, Maroantsetra, ary Sainte-Marie, nefa miankina amin’ny fahatongavan’ireto entana ireto ny fiatrehana ny fetin’ny faran’ny taona ho azy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.