Raha iny faritra avaratry ny nosy iny no tena malaza amin’ny fanondranana boaderozy, Vohemar, Sambava, Antalaha, Maroantsetra, Mananara sy ny manodidina iny dia fantatra izao fa misy manondrana an-tsokosoko ity hazo sarobidy ity ihany koa any Tolagnaro
. Ny herinandro lasa teo dia nahoraka tany an-toerana fa nisy sambo feno boaderozy niala tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia mahalala ny fisian’io raharaha io avokoa ny tompon’andraikitra ao an-toerana saingy noho ny tahotra tsindry bokotra dia tsy nisy nahasahy nihetsika. Mbola maro anefa no miparitaka any amin'iny distrika iny. Any amin’ny tapany avaratr’i Tolagnaro antsoina hoe Italia iny dia mbola maro ireo boaderozy midabodaboka fotsiny eny. Ankoatra izay, efa miha lo am-pitoerana eo an-tokotanin’ny biraom-paritry ny rano sy ny ala ao Ampasikabo ihany koa ireo boaderozy tratra hatramin’izay.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.