Actualités

Seranam-piaramanidina lehibe Hankinina amin’ny vahiny ny fiarovana


  • Talata 26 Oktobra 2010

Io indray izao no resaka mandeha amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao avy eny Ivato eny, dia hoe izay no fironana eran’izao tontolo izao, ary manao izany avokoa ny firenena maro ho fanarahana fenitra sy lentan’ny seranam-piaramanidina.

Ao anatin’izany ny fiantohana ny firindran’ny andraikitra rehetra hahatomombana ny sidina ataon’ny fiaramanidina. Manaraka izany ny fisorohana sy fiarovana amin’izay zavatra mety hiseho avy any ivelany. Anisan’izany ny asan-jiolahy, indrindra ny asa fampihorohoroana. Ireo seranam-piaramanidina lehibe eto Madagasikara no voakasik’ity famindram-pitantanana amin’ny vahiny ity ny fiantohana sy ny fiarovana ao aminy. Raha ny ahalalana azy dia ny asan’ny ADEMA sy ny ACM ireo, miara-miasa amin’ny ASECNA, izay frantsay, ary ahian’ny IATA. Tsy misy manda izay fampanarahana lenta sy fenitra iraisam-pirenena angamba, fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, tsy maintsy hanaraka izay tokoa ve isika ?

Iaraha-mahalala mantsy fa vavahady misokatra amin’ny any ivelany ireny seranam-piaramanidina ireny. Izao aza isika Malagasy no misahana azy, miporitsaka mila ho isan’andro ny harem-pirenena, maika fa ny vahiny. Dia ahoana koa no hahafahana manavaka ny olon-dratsy, indrindra fa ny mpampihorohoro mety ho avy eto raha tsy efa eto ? Ny ahiahy tsy ihavanana, isika rahateo milaza fa sarotiny amin’ny fiandrianam-pirenena. Koa dia ho hita eo ihany … 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT