Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be Izay vao tena lasan’ny vahiny


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Nisy ireo fanapahan-kevitra goavana noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahana omaly, anisan’izany ny nankatoavana ny famindram-pitantanana ny seranam-piaramanidin’Ivato sy Nosy Be, izay efa niteraka resabe. Mazava izany izao fa dia raikitra ihany ilay hitantanan’ny Frantsay ireto seranam-piaramanidina roa ireto

. Fa hisy ihany koa ny fananganana toeram-pamokarana angovo vaovao izay hanana tanjaka 48 MW hanampy ny famatsiana herinaratra ao amin’ny Réseau Interconnecté d’Antananarivo (RIA). Mbola mandeha amin’ny alalan’ny solika ihany izy ity ary ny sehatra tsy miankina no hiantsoroka ny fananganana sy ny fitantanana azy. Fa tao anatin’ireo fanendrena mpiasam-panjakana ambony nahasarika ny saina avy hatrany ny nanendrena an’Atoa Andriamanga Andry ho tale jeneralin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, ny ekôlôjia, ny ala ary ny ranomasina. Izy moa dia fantatry ny rehetra amin’ny maha mpitarika ny Alliance Voahary gasy azy, fikambanana izay tena hentitra tamin’ny fanadihadiana sy fanaraha-maso ireo karazana trafika momba ny harena voajanahary eto Madagasikara, indrindra fa ny boaderôzy. Andrasan’ny rehetra izay ho fihetsik’i Andry Andriamanga amin’izao izy nahazo toerana ao anaty fitondram-panjakana izao amin’ny fanolorana paikady sy fomba fiasa mahomby kokoa hiadiana amin’ireo trafika isan-karazany misy eto momba ny harena voajanahary.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT