Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Misy mpangalatra entana


  • Talata 03 Aprily 2018

Mahagaga ihany raha seranam-piaramanidina iraisam-pirenena toy ny eny Ivato, no andrenesana mpandeha voaendaka sy voasoloky eo am-piondranana sy eo am-pahatongavana.

 

 Tena tsy voafehy intsony ny kolikoly sy ny halatra eny an-toerana fa dia tena iainan’ ireo sampandraharaha samihafa misahana ny sisintany izany ary tena miharihary mihitsy. Tsy vitan’ny fanaovana kolikoly fa manokatra entan’olona mihitsy izy ireo ary tena mirongatra ankehitriny. Na dia arifomba sy ara-teknolojia ny fanaraha-maso eny an-toerana dia ao anaty raoplanina indray ireo tsy mataho-tody no manatanteraka ny asa ratsiny. Tsy ela, nisy mpandraharaha Malagasy nitaraina fa very entana. Lasa soa aman-tsara ny entana tany Sina ary tafiditra tao anatin`ny raoplanina tamin’ny fiaingana. Akory ny hatairany tonga teto an-tanindrazana vao naheno fa tsy ampy ny entana nohafarana. Jerena ivelany ireto entana toa mbola mihidy tsara kanefa tsikaritra ihany fa nisy nanagorobaka ilay “colis”. Tsy vao izao akory no misy ny halatra toy izao kanefa toa mahavariana ihany ny habetsahan’ireo nametraka fitoriana tsy nahazoana valin-teny nandritra ny fotoana maro. Maro tokoa ireo mpandeha no mikaikaika fa mafy loatra ny fisavana eo Ivato ary tsy vitsy ihany koa no mitaraina fa be loatra ny “manotra”. Mifanitsa-kitro, mifandrombaka miandry sao misy mangalatra ny entana satria mbola iray ihany ny tapis mamoaka ireo valizy na firy na firy ny raoplanina tonga ao an-toerana. Rehefa mivoaka dia indraindray tsy tafarina amin’ny “scanner” ny entana fa ilay ady gasy taloha ihany no miainga eo mba ahafahana manotra an’ireo mpandeha: “Inona ity ?”, “Hatao inona ity ?” na koa “Ho an’iza ity ?”, hoy ireo tompon’andraikitra sasany misahana ny fiarovana ny sisintany. Moramora kosa no miditra na mivoaka rehefa lava tanana ny olona sasany ary tsy mandalo fisavana izany.  Nisy moa teratany vahiny nampiaka-peo mihitsy fa tena tsy rariny loatra ny ataon’ireo sampandraharaha misahana ny sisintany eny Ivato ary dia fanalam-baraka ho an’i Madagasikara izany. Tena manofy antoandro ny fitondram-panjakana  raha mihevitra hahatratra ilay  “mpizahatany 500 000” amin’ny taona 2020 raha mbola izao no zava-misy eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT