Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Karana tratra saika hanondrana volamena 1 kg sy sasany


  • Alarobia 08 Septambra 2010

Teratany Karana iray monina eto Madagasikara no saron’ny zandary teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly saika hanondrana volamena an-tsokosoko any Inde. Efa narahin’ny zandary maso ity Karana ity tamin’ny fihetsiny.

Niravaka volamena teo amin’ny tendany, ny tanany, ny tongony ny entana entin-tanana ary hatramin’ny entany any amin’ny “soute” dia nahatrarana volamena avokoa. Efa mpanao mihitsy ity lehilahy ity araka ny fantatra satria nolokoiny nataony saro-pantarina ireo volamena. Lasa volombatolalaka mangirana ireo volamena ireo. Rehefa nolanjaina izy rehetra dia nahatratra iray kilao sy sasany. Any Inde moa no saika hitondrana ireto volamena ireto ary araka ny fantatra dia lafo dia lafo ny vidin’ny volamena any amin’ity firenena ity. 36 taona ity teratany Karana ity ary voatana vonjimaika ao amin’ny tobin’ny zandary ao Ivato izy. Ankoatra azy moa dia misy mpiasan’ny ladoany ihany koa voarohirohy miaraka aminy amin’izao raharaha izao. Mandeha ny famotorana. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT