Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Iranianina 3 nosamborina


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Miha mitombina hatrany ny ahiahin’ny maro ny maha zava-doza ny fisian’ny zotra Turkish Airlines mampitohy an’i Tiorkia sy i Madagasikara.

 

 Manomboka misesisesy mantsy ny fahatrarana andian’olona tsy mazava mitondra pasipaoro sandoka. Ny alakamisy teo, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, teratany Iranianina 3 no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny “Service Central de la Police de l’Air et de la Frontière” na ny polisin’ny sisin-tany noho ny fampiasana pasipaoro sandoka. Tamin’ny fahatongavan’ny zotra fiaramanidina Turkish Airlines tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro no nandehanan’ireto olona telo ireto. Niala avy any Istanbul izy ireo raha ny fanazavana. Nandritry ny fisavana ireo olona nilahatra teo amin’ny trano fitaratra fanaovana fizahana no nahatsikaritra ny polisy tompon’andraikitra fa hafahafa ilay pasipaorona teratany Espaniola 3 ka notanana avy hatrany ireto farany. Fantatra fa pasipaoro hosoka milaza ho teratany espaniola ary tsy mbola nampiasaina sy tsy nisy fitombokase avy any amin’ny toerana nialany izy ireo. Nandritra ny fisavana ny entan’izy ireo dia nahitana pasipaoro Iranianina koa. Fantatra fa niala avy any Istanbul izy ireo ary nieritreritra ny ho any Espaina fa andalovana fotsiny ny eto Madagasikara. Mikasika ireo teratany pakistaney 12 nosamborina noho ny fivarotana finday sandoka kosa dia efa samy nasaina niantso ny fianakaviany avy izy ireo ka halefa mody any amin’ny taniny anio ihany ary tsy mahazo miverina eto Madagasikara intsony. Ny manahirana amin’ity resaka ity dia sokajian’ny sehatra iraisam-pirenena fa ahitana silamo mahery fihetsika mpanao asa fampihorohoroana any Iran sy Pakistan eto Madagasikara.

 
 

 J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT