Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Ho avy Rtoa Lalao Ravalomanana ?


  • Talata 04 Desambra 2012

Tsy mbola mampandry saina ny FAT ihany hatramin’izao ny fotoana mety hahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny vady aman-janany eto Madagasikara, indrindra amin’izao ankatoky ny fanomanana ny fifidianana izao.

 Niely teto an-drenivohitra ny feo omaly, fa ho avy Rtoa Lalao Ravalomanana, vadin’ny filoha teo aloha, ka be no nikoropaka. Tonga hatramin’ny filazana fa hoe : nofoanana hatramin’ny zotra-piaramanidina miazo ny faritra mihitsy sy ny hoe nakatona ny seranam-piaramanidina Ivato noho izay antony izay.

Vokany, tsy nijanona nibobobobo ny findain’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity seranana ity nanontaniana marina ny mikasika ny zava-misy. Araka ny resaka nifanaovanay tamin-dRazafitsiandraofa Brunel, kaomisera tompon’andraikitra voalohany misahana ny sisintany eny Ivato dia milamina tsy nisy na inona na inona nitranga tao amin’ity seranana ity omaly. Nizotra araka tsy nisy fiofana koa ireo fiaramanidina mihazo ny faritra, izay midika fa nisokatra hatrany ny seranam-piaramanidina Ivato. Olona te-hanakorontana fotsiny no nanely ny feo, hoy ihany ity tompon’andraikitra amin’izay misavoritaka ny rehetra.

 

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT