Natao ihany ny tsy hiteny fa efa tafahoatra ny mitranga eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, hoy ireo mpandeha.
Avonavona, betrobetroka sy kitakita miampy filam-baniny sy fitakiana vola no misy ao amin’ny fahatongavana avy any ivelany (arrivée internationale), hoy ireo niharany. Samy manao ny ataony daholo na ny mpiasan’ny fadin-tseranana na ny polisy misahana ny sisin-tany na ny mpitsabo na ireo mpibata entana. Azo ambara fa fanorana sy kolikoly faobe no misy ao, hoy ny mpandeha iray avy any Azia. Ny Malagasy moa matetika no tena iharan’ny tsindry satria atokana ny teratany vahiny rehefa tonga eny Ivato noho izy ireo tsy maintsy mbola mameno ilay taratasy (formulaire) aloha vao tafavoaka ao. Tsy vao izao fa efa hatry ny ela no nandrenesana feo sy fitarainana momba ny zava-misy eny Ivato. Ny mahagaga anefa dia toa vao miha mitombo ilay izy ary efa tsy menatra mitaky vola intsony mihitsy ireo mpiasan’ny fadin-tseranana sy ny polisin’ny sisin-tany. Nahoana no mitazam-potsiny izao tranga mahamenatra sy manaratsy endrika ny firenena izao ny mpitantana sy ny mpitondra ? Fa dia tena tsy vita mihitsy ve ny manadio io sehatra iray io fa dia efa lasa fomba amam-panao tsy maintsy ekena ilay “mametraka kely” ? An-dalam-panitarana izao ny seranam-piaramanidina Ivato, ka ny atahorana dia hitatra tahaka izany koa ny avonavona sy kolikoly eny raha tsy misy ny fahasahiana miady amin’io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.