Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Dibo-drano tamin’ny sabotsy


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Efa mba ela ihany no niainana teto Madagasikara fa tsy mbola fahita ity zava-nitranga teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny sabotsy hariva teo.

 

Nidiran’ny rano ny tao an-trano  ary dia notsenain’ny rano be avy hatrany ireo olona rehetra tonga tamin’ny fiaramanidina ka naka entana sy nandalo ny polisin’ny fadin-tseranana tamin’io sabotsy io. Tena dibo-drano eraky ny trano, samy taitra ny rehetra. Tsy fantatra mazava ny antony fa dia samy nitsingitsingina teo daholo aloha, mba tsy lena ny entana fa entina amin’ny kalesa moa. Ireo nanatri-maso teny an-toerana no nilaza fa 10 ka hatramin’ny 20 sm ny rano. Raha ny tombana tsotsotra aloha dia tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny lalan-drano sy ny tatatra eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, hany ka tafiditra anaty trano avy hatrany ny rano, ny orana rahateo tena natevina sy naharitra tamin’io sabotsy io. Ny mampanahy ihany koa dia sao lahy nisy ny zavatra tsy voadinika tsara amin’ilay asa goavana fanitarana ny seranam-piaramanidina ka nahatonga izao tondra-drano izao. Mazàna mantsy rehefa misy tany voatototra, ohatra, na misy trano naorina teo amina tany malalaka manakaiky trano iray dia mihena ny toerana itobian’ny rano rehefa avy ny orana. Mitady lalana avy eo ny rano rehefa mitombo hadiry ka miditra amin’izay azony idirana rehetra. Ho an’ny tao Ivato manokana izao, dia azo antoka fa rano avy aty amin’ny Tarmac, izany hoe ilay avy aty amin’ny misy ny Piste io tafiditra an-trano io, matoa ny tao amin’ny “Hall d’arrivée” no dobo voalohany.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT