Actualités

Seranam-piaramanidina Ivato Devizy amina miliara vola gasy saika haondran’ny Sinoa


  • Alarobia 11 Aogositra 2010


Vola vahiny mitentina maherin’ny 200.000 euros (maherin’ny 2 miliara fmg amin’ny vola gasy) no sarona tetsy Ivato omaly tolakandro. Efa afaka ny fisavan’ny polisy sy ny ladoany izy io ary nandalo farany ny fisavan’ny zandary no io sarona io. Natao tao anaty boatina kafe ireo vola marobe raha araka ny fantatra. Tsy izany ihany aza fa mbola nahitana «cocombre de mer” ihany koa tamin’ny entan’ireo Sinoa roa ireo. Avy hatrany dia nentina natao fanadihadiana ary tsy ho ela dia hatolotra ny Fampanoavana noho ny trafikana devizy, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Tsiahivina fa vao tsy ela akory izay no nisy Sinoa sarona saika hanondrana hazo sarobidy teo amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato. Notapatapahina ireo hazo dia natsofoka tao anaty valizy. Sarona teo amin’ny fisavana ihany koa anefa izany. Fa momba ilay tranga fanondranana devizy izay voatantara tetsy ambony dia toa mahalasa saina ihany ny tsy nahitan’ny polisy sy ny ladoany ireo volabe ireo. Sa kosa angamba izay no antony nanasiana solontenan’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana tsirairay avy eo amin’ny seranana ? 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT