Inona loatra ny entana nentin’ny kamiao miloko mainty marika “Renault” mitondra ny laharana 5259AC ity fa dia nisy nangalatra niaraka tamin’ny kaontenera teo amboniny miloko “marron” ary nanjavona tanteraka hatramin’izao
. Halatra tsy fahita teo anivon’ny seranan-tsambo ny tahaka izao, ka mampanahy ny maro sy ireo mpandraharaha ary ireo mpitatitra, fa tanànan-jiolahy sy toerana fitobiana tambajotrana jiolahy ny seranan-tsambo ankehitriny. Arakaraka ny nanamafisana ny fisavana sy nampiasana ireo fitaovana fitiliana sy fanaraha-maso samy hafa, no vao mainka mampirongatra ny halatra sy fanodinkodinana samy hafa. Mahagaga, hoy ireo mahay tsara ny famoahana entana eo amin’ny vavahadin’ny Port, fa mifankahalala avokoa ireo mpiasa misahana ny fisavana sy ny mpamily ny kamiao ary ireo mpanampy azy ireo nefa tamin’izao halatra izao dia milaza tsy nisy nahatsikarika avokoa ny rehetra, ary manambara fa tsy nahita ihany koa ny teo am-bavahady jiaby. Efa mandeha moa ny fikarohana amin’izao fotoana izao, ka ho hita eo ny tena marina amin’izao fanjavonana kamiao avy naka entana tao amin’ny “Port” izao...
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.