Actualités

Sendikan’ny Mpitsara Mampitandrina ny fanjakana


  • Alakamisy 29 Jona 2017

Taorian’ny fivoriambe tsy ara-potoana notanterahiny omaly teto Antanananarivo,

 

dia nivoaka ny fehin-kevitra sy ny fanambaran’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM). Manome fe-potoana 10 andro amin’ny fanjakana aorian'ny fandefasany taratasy amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra mikasika ny famaliana ny fitakiany ny sendikan’ny mpitsara. Tsy eken’izy ireo ny fitsabahana sy ny teritery atao amin’ny mpitsara. Tsiahivina fa notakian’ny SMM ny Fanenjehana ara-pitsarana ny loholona Riana Andriamandavy VII, izay notorian’izy ireo noho ny resaka fandrahonana ho faty tany anaty tambajotram-pifandraisana sy ny fihoaram-pefy teny amin’ny Bianco, ny fifonana ampahibemaso ataon’ny loholona Riana Andriamandavy sy ny loholona avy any Ampanihy Andrianjaka Goulzar, izay voalaza fa nanohintohina ny fitsarana sy nandrahona ny mpitsara nanao ny asany. Teo ihany koa ny fampiharana ny fampidirana am-ponja an’i Claudine Razaimamonjy, izay efa tanteraka, saingy tsy misy mangarahara raha ny fahitana azy. Nilaza ny SMM fa hiroso amin’ny fitokonana lavareny izy ireo raha tsy misy ny valiny mahafa-po. Marihina fa tonga nanatrika ny fivoriambe notarihin’ny Biraon’ny SMM natao omaly ireo filoha lefitra avy amin’ny faritany. Tsy eto an-tanindrazana kosa ny filohan’ny sendika Faniry Ernaivo, fa any ampitan-dranomasina.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT