Nisy ny fanambarana nataon’ny Sendikan’ny mpiasan’ny Banky BFV sy BTM (SADB) teo aloha manoloana ny toe-draharaha politika misy eto amin’ny firenena.
Manameloka ny tompon’andraikitra nanome baiko nitifitra ka nahafaty sy nandratra ny vahoaka izy ireo. Mankasitraka ny hetsi-bahoaka tarihin’ny depiote mba handrodanana ny jadona sy ny kolikoly ary indrindra ny fampahantrana ny Malagasy. Ankoatr’izay dia miara-dalana amin’ny hetsika ataon’ny Sendikan’ny mpiasa Malagasy S.S.M. ny SADB. 20 taona izay no efa nanao fitakiana ireto mpiasan’ny banky taloha ireto kanefa tsy nahazo rariny satria tsy misy mihaino. Olana ny tsy fahafahana manao grevy intsony satria tsy am-perinasa ny ankamaroan’izy ireo. Mametra-panontaniana ihany koa ireto farany ny amin’ny lelavola 35,8 miliara Ariary nomen’ny Banky iraisam-pirenena hanatanterahana ny drafitra sosialin’ny BFV sy BTM. Ny tena mampalahelo, hoy izy ireo dia ny famitahana sy ny fandrebirebena nahazo ny mpiasa miisa 1000 tamin’ny fotoan’androny. Raha tsiahivina dia nampirisihina nametra-pialana izy ireo noho ny fisintahan’ny fanjakana ary nolazaina fa homena vola be. Rehefa niala anefa izy ireo dia tsy nisy akory ilay vola nampanantenaina. Nanomboka tamin’izay ny fahasahiranana ary tsy nahazo valiny mahafa-po izy ireo mandrak’ankehitriny. Arak’izany dia fanantenana vaovao ho azy ireo ity tolona ataon’ny depiote ity ary hanamafisany fa mbola misy sy mijoro izy ireo.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.