Hanetriketrika ny fankalazana ny fetin’ny asa etsy amin’ny Parvis Analakely ny 1 mey izao, hoy ry zareo avy eo anivon’ny randrambao sendikalin’ny mpiasa malagasy na ny CTM – SSM tetsy amin’ny Grand melisse Tsaralalana omaly.
Sakamalaho sy Havozo ny hetsiky ny mpiasa sy ny depioten’ny fanovana ary efa azo ny alalana amin’io fetibe io, hoy hatrany ny fanazavana. Aoka izay ny fanaovana herisetra eny amin’ny toeram-piasana, indrindra ireo izay atao amin’ny vehivavy. Aoka izay ny fampihorohoroana ny mpiasa mitaky ny zony sy ny fanaovana kolikoly mandany volam-bahoaka. Aleo, hoy izy ireo, mba himasoana amin’izay izay hahazoan’ny mpiasa tsirairay avy karama mahavelona.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.